Sport

Orange Pro League Tonga amin'ny tanjony ny CFFA sy Elgeco Plus


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Vao andro fahasivy dia hita miharihary sahady ny tetikan'ny CFF Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus satria dia tafiditra voalohany sy faharoa ao amin'ny vondrona atsimo.

Tany amin'ny antsapaka, raha tena nisy izany, dia efa nalefa any avaratra daholo ireo ekipa mafy be toa ny COSFA, ny Ajesaia sy Uscafoot hany ka gana malemy sisa no tavela. Sarotra mba tsy hilazana hoe tsy vita mihintsy ny handresen'ny JET Mada, MAMA na Disciples an'ireo volomboasary. Tsy lazaina intsony moa ny 3FB sy ny Dato. Ny Zanakala no mba manohitra kely fa ao Ampasambazaha ihany. Midika izany fa dia any amin'ny playoffs indray aloha amin'ity taom-pilalaovana ity ny CFFA sy Elgeco Plus. Io aloha ny sary mivoaka fa mandram-piandry dia indro ny filaharana taorianan'iny andro faha 9.
Vondrona Atsimo
1) CFFA....16 isa
2) Elgeco Plus...15 isa
3) MAMA.. 13 isa
4) Disciples 13 isa
5) Zanakala...11 isa
6) JET Kintana...10 isa
7) Dato... 7 isa
3FB Toliara...5 isa

Vondrona Avaratra
1) Fosa Juniors...24 isa
2) COSFA...17 isa
3) Ajesaia... 15 isa
4) Uscafoot...12 isa
5) Fanalamanga...11 isa
6) Tia Kitra ..7 isa
7) Tsaramandroso...5 isa ASA Nosy be...2 isa

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT