Sport

Orange Pro League Nivoaka nandresy ny CFFA


  • Zoma 10 Martsa 2023

Miakatra miadana maka toerana any aloha ny CFF Andoharanofotsy taorian'iny fandresena azony omaly tetsy amin'ny By Pass nanoloana ny Disciples FC.

Tena niady ny baolina sady mifakafantatra rahateo ny mpilalao. Rehefa tsy nahafaty baolina ry Tendry sy Koka dia i Lalaina no nampiditra ny baolina tokana (65’). Somary sahirana tato ato ny Disciples satria vao avy resin'ny Elgeco Plus tamin'ny isa tokana. Lasa laharany voalohany ny CFFA raha niverina fahadimy indray ny Disciples taorian'iny lalao iny. Toy izao indray ny fandaharan-dalao :
Zoma 10 martsa
Kianja Barikadimy 2.30 : AS Fanalamanga # COSFA
Alahady 13 martsa
Kianja Vontovorona 2.30 : Fosa Juniors # USCAFOOT
Kianja Barikadimy 2.39 : Tia Kitra # Ajesaia
Kianja Ampasambazaha 2.30 : MAMA FC # Elgeco Plus Kianja Mahitsy 2.30 : JET Kintana # Disciples
Stadium Elgeco Plus 2.39 : CFFA # Zanakala
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT