Sport

Orange Pro League Nandresy tao an-tokotaniny ny Elgeco


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Noho ny orambe nikija ny sabotsy dia notohizana omaly ny lalao nihaonan'ny Elgeco Plus sy Disciples FC Teny niady ny lalao teny amin'ny By Pass ary somary nanatombo kely aza ny Disciples nanoloana ny Elgeco.

Tsy nivoaka mihintsy ry Zola sy Safidy nanzovan'i Ando Racap sy Andokely azy. Tena nivoatra be ity farany hoy Roro Rakotondrabe izay tafaresaka taminay. Tsy mitsahatra manaraka ity Pro League ity moa ity mpanazatra nasionaly ity ary milaza mazava fa efa betsaka ireo voatily vaovao." Tsy misy mahalala izay avoakan'ny ampitso fa aleo dia mijery dieny izao. Fa raha hiverenana ny lalao omaly dia tsara ny fanoloana mpilalao satria vao niditra kelikely i Benteke dia nahafaty tamin'ny daka miraiky izay tsy azon'i Joma ilay mpiandry tsatokazo vaovao an'i Disciples. Io isa io koa no nisarahan'ny roa tonta. Tamin'ny lalao nandrasan'ny maro dia nirava ady sahala samy tsy nitoko ny CFFA sy Mama mbola tetsy amin'ny By Pass omaly ihany. Toy izao kosa ireo vokatra hafa afatsy ny lalao hihaonan'ny 3FB sy Zanakala izay hatao anio noho ny oram-be any an-toerana. - Fosa Juniors nandresy Fanalamanga 1 noho 0 - Mama - CFFA 0 noho 0 - Ajesaia - COSFA 0 noho 0 - Tia Kitra nandresy Tsaramandroso 1 noho 0 - JET Kintana nandresy Dato 2 noho 1 .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT