Sport

Orange Pro League Nanao fahagagana ny ASA


  • Talata 11 Aprily 2023

Tsy mampino ny zava-bitany ny ASA Nosy Be ny alahady teo tao amin'ny kianja monisipaly Antsiranana. Resiny tamin'ny isa mazava 3 noho iray mantsy ny Fosa Juniors.

Ity farany anefa banokatra ny isa tamin'ny alalan'i Fely ilay mpilalaon'ny Five FC taloha . Namaly bontana anefa ry zareo Nosy Be tamin'ny fidirana faharoa. Nanasahala ny isa aloha i Gelinoh (67) ary ny nampiditra ny baolina faharoa i Beni (75). Nanomboka teo dia niray feo tamin'ny ASA ireo mpijery marobe ka tonga ho azy ny baolina fahatelo matin'i Victor. Mety tsy hijanona eo ny vokatra tsara ho azon'ny ASA satria dia mijanona any Diego foana izy amin'ireo lalao sisa hatrehiny. Tamin'ireo lalao hafa dia nifoha tamin'ny torimasony ny Ajesaia raha naharesy 1 noho 0 ny Uscafoot tetsy amin'ny kianja Alarobia. Tany Fianarantsoa indray dia voatazon'ny Zanakala sahala 2 noho 2 ny Disciples FC na dia nanokatra ny isa voalohany. Nahazo hery anefa ny Zanakala nohon'ny fanohanana tsy misy fepetra ataon'ireo mpijery . Toy izao kosa ny vojatra hafa teo amin'ity andro faha 13 ity. COSFA sy Tsaramandroso 1 noho 1 - Elgeco Plus nandresy Dato 1 noho 0 - Mama FC nandresy JET Kintana 1 noho 0 - Fanalamanga nandresy Tia Kitra 2 noho 1
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT