Sport

Orange Pro League Nalentiky ny Disciples indray ny JET


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Andro fahaenina nahitana fahagagana ny faran'ny herinandro teo ho an'ny Orange Pro League. Nahitana koa ny faharesen'ny JET Kintana nanoloana ny Disciples FC.

Mbola nahitana an'i Tendry, ilay nahazoana ny laharana fahatelo Tany Alzeria, nampiditra ny baolina faharoa tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus ny sabotsy teo. Io andro io ihany saingy tetsy Ambohidratrimo no nitazonan'ny Tia Kitra an'ny Ajesaia tamin'ny isa 2 noho 2. Izany isa izany ihany koa no nisarahan'ny Zanakala sy ny CFFA tany Ampasambazaha. I Fabrice no namono ny baolina roa matin'ny Zanakala raha Santatra sy Bonnard kosa ny an'Andoharanofotsy. Fa ny baolina tena niady sy nahavalalanina dia ny fihaonan'ny USCAFOOT sy ny Fosa Juniors. Tena sahirana ry zareo Mahajanga na dia niezaka nanova aza i Franck Rajaonarisamba mpanazatra. Ary rehefa tsy nahafaty ry Tsiny sy Jean Yves dia i Lalane no nampi-tena nahazoan'ny Fosa ny isa tokana. Voatazon'ny Mama ihany koa tao antikotaniny n'y Elgeco Plus ( 1 noho 1) raha nandresy an'ny Dato 3 noho 2 tao Manakara ny 3FB Toliara. Isa tolana kodak no nandresen'ny COSFA an'ny Fanalamanga. Tsaramandroso Formation kosa teny Mahitsy dia nandresy 4 noho 3 ny ASA Nosy be.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT