Sport

Orange Pro-League Malagasy Voatanan’ny Fca Ilakaka 0-0 ny Fosa Juniors Fc


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Tontosa tany amin’ny kianja Rabemanjara Mahajanga omaly alahady 15 martsa 2020 ny lalao andro faha-2 tara eo amin’ny fifaninanana Orange Pro-League Malagasy 2019/2020.

 

 

 

Voatanan’ny Fca Ilakaka Ihorombe 0-0 tao an-jaridainany tamin’izany ny Fosa Juniors Fc Boeny. Marihana fa tsy niatrika ny lalao ireo mpilalao an’isan’ny fototra ao amin’ny Fosa Juniors Fc dia i Santatra sy Besna ary i Jean Yves. Rava izany ny nofinofin’ny ekipa solontenan’i Boeny amin’ity fifaninanana ity mba hiakatra eo amin’ny laharana faha-2 vonjimaika. Marihana fa mbola manana lalao tara iray hifanandrinany amin’ny Zanakala Fc Matsiatra Ambony ny Fosa Juniors Fc amin’ny ankapobeny.

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT