Sport

Orange Pro-League Malagasy Nomontsanin’i Elgeco Plus 7-0 ny Club M Mananara


  • Talata 18 Febroary 2020

Tontosa omaly alatsinainy 17 febroary maraina tetsy amin’ny Elgeco Stadium By Pass Ambohijanaka ny fanohizana ny lalaon’i Elgeco Plus Analamanga sy ny Club M Mananara

 

 

Atsinanana, andro faha-12 amin’ny fifanintsanana Orange Pro-League Malagasy, tsy vita hatramin’ny farany tamin’ny alahady 16 febroary 2020 noho ny toetrandro. Niainga teo amin’ny isa 2-0 ny lalao ka tsy navelan’ny Elgeco Plus raha tsy tongany hatrany amin’ny 7-0 tamin’ny fiafaran’ny lalao.

Fa araka ny fanapahan-kevitry ny CFEM  laharana 002-2020 nivoaka omaly  alatsinainy 2020 ihany koa dia ofisialy ankehitriny ny fandresen’ny As Jet Mada  3-0 ny Zanakala Fc teo amin’ny andro faha-12 amin’ny Pro-League Malagasy.

Niova ho toy izao ny filaharana vonjimaikan’ity fifaninanana ity taorian’io andro faha-12 naverina io : 1°-Cosfa isa 25, 2°-Cnaps Sport isa 24 (+22), 3°-Ajesaia isa 24 (+16), 4°As Jet Mada isa 21, 5°-Fosa Juniors isa 20, 6°-Elgeco Plus isa 18, 7°-3Fb Toliara isa 18 (0) , 8°-As Adema isa 18 (+3), 9°-Zanakala Fc isa 9, 10°Fca Ilakaka isa 8 (-16) , 11°-Tia Kitra isa 8 (-12), 12° Club M isa 0.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT