Tamin’ny fitafatafana fohy tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny “Tour Orange” teny Ankorondrano omaly alarobia 18 martsa 2020 nifanaovan’ireo
tompon’andraitry ny CFEM (ny filohany sy ny sekretera jeneraliny) niaraka tamin’ny solontenan’ny Orange Madagascar no nilazan’Atoa Arno Steenkist sy Atoa Rakotoharimalala Mirado fa ny nanampy betsaka tamin’ny fahombiazan’ny fifaninanana hatrany am-piandohany ka mandrak’izao ny tohana nomen’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasyazy ireo. Nahafa-po ihany koa, hoy i Rtoa Anuouk Bertucat ny fanasongadinan’ny mpanao gazety azy ireo taorianan’ny nidiran’ny Orange ho mpanohana ofisialy ny hetsika. Hasain’ny Orange Pro-League manokana araka izany ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Malagasy hiara-misalahy amin’izy ireo hiaraka hifidy an’ireo mpilalao mendrika isan-tsokajiny ka ho tolorana loka manokana miaraka amin’ireo ekipa mendrika ihany koa amin’ny “Soirée Awards” ho karakaraina any amin’ny volana jolay 2020 any ho famaranana ofisialy an’ity andiany voalohany amin’ny Orange Pro-League Malagasy ity. Nambaran’ny CFEM “Association des Clubs de Football Elites de Madagascar” koa tetsy an-kilan’izay fa amin’izao fanombohan’ny famaramparanana ny fifaninanana efa miditra amin’ny andro faha-16 izao dia mitombo an-dalana ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika fa nanampy azy ireo koa ankehitriny ny Flexknit sy Canal Plus Madagascar ary ny Sport 261. Nomarihan-dry zareo koa fa amin’ny fiafaran’ny andro faha-22 famaranana ny fifaninanana dia izay ekipa mitana ny laharana voalohany raikitra no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny baolina kitra 2019/2020 ka hisolontena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana Ligue des champions Afrikanina ho karakarain’ny CAF. Ny ekipa mitana ny laharana farany kosa dia ho soloin’ny ekipa tompondakan’ny”tournoi D-2” karakarain’ny FMF ary ny mpilalao faha-11 mialohan’ny farany dia hanao lalao “barrage” amin’ny ekipa faha-2 amin’ny “tournoi D-2 FMF”. Farany mikasika ny lalao andro faha-16 ho tontosaina amin’ny faran’ny herinandro izao dia hafindra eny amin’ny kianjan’i Carion ireo lalao tokony ho tontosaina eny amin’ny Complexe Sportif Vontovorona noho ity farany hilain’ny fanjakana amin’ny resaka “coronavirus”. Sisan’izay tsy misy fiovana izay voalazan’ny fandaharana efa voarafitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.