Sport

Orange Pro-League Malagasy Lalao 2 no tsy tontosa hatramin’ny farany


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Lalao 2 be izao no tsy tontosa hatramin’ny farany tamin’ny andro faha-12 ho an’ny fifaninanana baolina kitra Orange Pro-League

 

 

 

Malagasy notontosaina tamin’ny sabotsy 15 sy omaly alahady 16 febroary 2020 dia ny fihaonan’ny As Jet Mada sy Zanakala Fc notanterahina teny amin’ny Complexe Vontovorona noho ny savorovoro nitranga. Marihana fa efa nitarika 3-1 ny Jet Mada tamin’ity fihaonana ity. Teo koa ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy Club M Mananara natao teny amin’ny kianja Elgeco By Pass Ambohijanaka voatery noravana tsy lera  noho ny orambe nivatravatra. Marihana fa efa nitarika 2-0 ny Elegeco plus tamin’izany.

Voka-dalao hafa rehetra tamin’io andro faha-12 io :

Tia Kitra Fc 1 - 0 Cosfa ; As Adema 1 – 2  3Fb Toliara ; Fosa Juniors 1 -1 Ajesaia ; Fca Ilakaka 1 - 1 Cnaps Sport .

Mbola mitarika hatrany eo amin’ny filaharana vonjimaika ny ekipan’ny Cosfa Analamanga na dia resin’ny Tia Kitra tany amin’ny kianja Barikadimy ka manana isa 25 ary mbola mitana ny laharana faharoa vonjimaika ihany koa ny Cnaps Sport Itasy satria nanao ady sahala tamin’ny Fca Ilakaka isa 24 (+22). Fahatelo ny Ajesaia Bongolava isa 24 (+16).

 

 

 

Marihana fa haverina anio alatsinainy 17 febroary manomboka amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny Elgeco Stadium hatrany ny fizaram-potoana faharoa teo amin’ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny Club M.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT