Sport

Orange Pro-League Malagasy andro faha-15 Fihaonana 3 no hotontosaina eny Vontovorona


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity indray tohin’ny lalao baolina kitra Orange Pro-League Malagasy ka ny andro faha-15

 

 

amin’ny fifaninanana no hatrehana amin’ny sabotsy 7 sy sy amin’ny alahady 8 martsa 2020 ho avy izao. Raha topaza-maso ny fandaharam-potoana mivoaka dia lalao 3 no hotontosaina eny amin’ny kianja “Complexe Sportive” eny Vontovorona amin’ity andro faha-15 ity, 2 no hotanterahina any amin’ny kianja “Stade Moderne” Ampasambazaha Fianarantsoa ary ny 1 ambiny dia any amin’ny kianja “Stadium Barikadimy” any Toamasina.

 

 

Hatreto dia fantatra fa mitarika eo amin’ny filaharan’ireo mpamono baolina be indrindra i Niasexe lohalaharan’ny CNaPS  Sport Itasy efa nahatafiditra baolina niisa 16 hatramin’izao. Manaraka azy ao ry Yvan sy Ndiby ary Jean Yves.

 

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT