Sport

Orange Pro-League Malagasy andro faha-15 Fanambin’ny Tia Kitra ny handresy foana eo amin’ny taniny


  • Talata 10 Martsa 2020

Mbola nandresy fanintelony tao an-jaridainany indray ny ekipan’ny Tia Kitra Atsinanana tamin’ny andro faha-15 –n’ny

 

fifaninanana Orange Pro-League Malagasy notontosaina tao amin’ny Stadium Manarapenitra Barikadimy tamin’ny sabotsy 07 martsa 2020 lasa teo. Fanambin’ity ekipa solontena iray avy any Atsinanana tarihan’ny filohany Randrianirina Laurent ny handresy foana eo amin’ny taniny amin’ireo lalao miisa 9 hotanterahina any. Marihana fa efa in-3 izany izao ny Tia Kitra no nahazo fandresena tao Barikadimy satria efa nandresy ny Cosfa 1-0 izy, efa nandresy ny Club M 5-0 ary io nandresy ny As Jet Mada 2-0 io indray tamin’ny sabotsy. Ny Tia Kitra dia manana mpilalao 2 efa voaantso tao amin’ny Barea U 20 nilalao tany Qatar farany teo dia i  Jinidy sy Angelo. Tompondakan’ny sokajy D-2 teto Madagasikara ny Tia Kitra no nahafahany nilalao avy hatrany tao amin’ity sokajy Pro-League Malagasy ity.

 

 

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT