Sport

Orange Pro-League Malagasy andro faha-14 Lavon’ny Elgeco Plus 3-0 ny Cosfa omaly


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Nisongadina tamin’ireo lalao tafiditra tamin’ny andro faha-14 amin’ny fifaninanana baolina kitra “Orange Pro-League Malagasy”

notontosaina tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny (sabotsy 29 febroary sy alahady 01 martsa 2020) ny fihaonan’ny Cosfa Miaramila sy Elgeco Plus tetsy amin’ny kianja Elgeco Stadium tetsy amin’ny By Pass Ambohijanaka omaly alahady 01 martsa noho ny nisian’ny savorovoro kely nitranga teo ambony kianja vokatry ny fahazoan’ny mpilalaon’ny Cosfa niisa 2 ny karatra mena ka nahavoatery an’ity klioban’ny miaramila ity nilalao 9 nanomboka teo amin’ny minitra faha-15 nilalaovana tany ho any ka nampiato nandritra ny 10 minitra latsaka kely ny lalaon’ny roa tonta. Voatery niditra teny ambony kianja mihitsy moa ireo tompon’andraikitry ny ekipa roa tonta nandamina ny savorovoro nisy nefa dia nitohy hatramin’ny farany ihany ny lalao ka nirava tamin’ny fandresen’ny Elgeco Plus ny Cosfa tamin’ny isa 3-0 be izao. Tafidina any amin’ny laharana faha-3 ao aorian’ny Cnaps Sport Itasy sy ny Ajesaia Bongolava araka izany ny Cosfa izay nitarika vonjimaika teo amin’ny laharana voalohany tamin’ny andro faha-13. Azo ambara fa somary nanimba kely ny endri-dalao nasehoan’ny Cosfa sy Elgeco Plus teny amin’ny By Pass ny fanapahan-kevitra maika loatra noraisin’ny mpitsara ny lalao sahy nanome karatra mena in-droa nisesy be izao tamin’io fiahaonana io. Nametraka fitarainana noho ny toe-java-nisy ny ekipan’ny Cosfa taorian’ny lalao.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT