Sport

Orange Pro-League Malagasy andro faha-10 Voatozon’ny As Adema ady sahala ny Cosfa Miaramila


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Tontosa avokoa ireo lalao baolina kitra tafiditra amin’ny andro faha-10 amin’ny fifaninanana Orange Pro-League Malagasy 2019/2020.

 

 

Ka tamin’ny sabotsy 01 febroary 2020 dia nisongadina tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus etsy amin’ny By Pass ny nisarahan’ny Cosfa Miaramila sy ny As Adema samy avy eto Analamanga ady sahala 0-0 ary ny nandavoan’ny Ajesaia Bongolava 4-1 ny 3Fb Toliara teny amin’ny kianjan’ny Cnaps teny Vontovorona. Ny ekipan’ny Ajesaia indray izany taorian’io andro faha-10 io no mitarika vonjimaika an’isa, manana 23 eo alohan’ny Cosfa isa 22 sy ny Cnaps Sport isa 20.

Ireo voka-dalao rehetra tamin’io andro faha-10 io :

Ajesaia 4 - 1 3Fb Toliara (Vontovorona)  ;   Cosfa 0 - 0 As Adema (Kianja Elgeco Plus By Pass)  ;   Fosa Juniors 6 - 1 Tia Kitra (Kianja Rabemananjara)   ;  Club M 1 - 6  Zanakala Fc (Kianja Barikadimy Toamasina)   ;  Fc Ilakaka 0 - 1 As Jet Mada (Kianja Maoderina Ampasambazaha)   ;  Elgeco Plus 1 - 1 Cnaps Sport (Kianja Elgeco Plus By Pass)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT