Sport

Orange Pro League Mahamay ity FOSA sy USCAFOOT ity


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Miditra amin'ny andro fahaenina sahady ny Orange Pro League. Ary mananjara Antananarivo fa sady ahita lalao tena miady no mihaona amin'ireo mahery fo tamin'ny CHAN.

Ny alahady Izao tokoa mantsy no hihaona Etsy amin'ny kianja Alarobia ny Uscafoot sy ny Fosa Juniors. Raha i Feldman irery no Barea avy ao amin'ny Uscafoot dia marobe ireo an’ny Fosa satria ankoatran'i Dax dia ao i Donga, Avizara, Rado Kely, Jean Yves. Na izany na tsy izany dia hiady ny baolina hoan'ireto ekipa mitana ny laharana voalohany sy faharoa amin'ny tapany avaratra ireto. Fotoana koa izao hanehoan'ny mpitia baolina kitra ny fitiavany ity taranja ity ka hamenoany ny kianja fa izay no lalan-tokana mankany amin'ny fampandrosoana. Mbola nanana lalao iray ny Fosa ka hihaona amin'ny ASA Nosy be anio tolakandro amin'ny 2 ora sy sasany eny amin'ny By Pass. Toa izao kosa ireo lalao amin'ny faran'ny herinandro ;
Sabotsy 18 febroary
- Elgeco Stadium
2 ora 30 : Disciples FC vs JET Kintana Kianja
-Ambohidratrimo
2ora 30 : Ajesaia vs Tia Kitra
Alahady 19 febroary
-Kianja Ampasambazaha
2 ora 30 : Zanakala vs CFFA Kianja
-Manakara
2 ora 30 : Dato vs 3FB Kianja
-Mahitsy
2ora 30 : COSFA vs Fanalamanga
‘Kianja Ambohidratrimo
2 ora 30 : Tsaramandroso vs ASA Nosy be
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT