Sport

Orange Pro League Lavo ny Ajesaia


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Teknika fa tsy angovo hoy ny filamatry ny Ajesaia. Saingy ny sabotsy teo tany Toamasina dia sady tsy teknika no tsy angovo nanoloana ny Fanalamanga izay tena tongatonga araky ny fiteny.

Resy 2 noho 0 ny Ajesaia Baolina matin'i Georginoh ( 58) sy Avotra (69) vokatry ny fanafihana sesilany nataon'ny Moramanga Hita banga rahateo ny toeran'i Rojo Be izay nifindra any amin'ny Saint Pauloise hany ka nanarataotra toy ny banga mihomehy alina ry Tsalo sy ny namany. Fa tsy Fanalamanga irery no nahavita fahagagana tamin'ity andro faha 12 ity fa teo koa ny Zanakala izay nitazona ny Elgeco Plus i Onja no nampiditra ny baolina voalohany tao Ampasambazaha (36) saingy nosahalain'ny tompotany izany tamin'ny alalan'i Fabrice izany (64) .Toy izao ireo vokatra hafa notontosaina ny omaly alahady Kianja Alarobia : COSFA nandresy ny Uscafoot 1 noho 0 Kianja Maître Kira 3FB nandresy JET Kintana 1 noho 0 Kianja Rabemananjara Fosa Juniors nandresy Tsaramandroso 1 noho 0 Kianja Elgeco CFFA nandresy Dato 1 noho 0 .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT