Sport

Orange Pro League Lasa ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Raha tsy misy ny sampona ary mbola sarotra amin'ny Malagasy izany remontada izany dia any amin'ny fsmaranana

ny Pro League ny tongotry ny Fosa iray. Resiny omaly tamin'ny isa mavesatra tetsy amin'ny kianja Elgeco ny Ajesaia. Isa 3 noho 1 no nisarahana fa kely foana ny tsy naha 3 noho 0 azy raha tsy matin'i Feno tany amin'ny fanalavan-potoana ny baolina tokana an'ny Ajesaia. Vao maraina be (15) dia matin'i Veve ny baolina. Ny baolina faharoa indray dia misoratra ara-taratasy hoe matin'i Dax (43) saingy ny teny ankianja nahita fa efa maty ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Xavier saingy naverin'ny vodilaharana fa noho ny tsy fisian'ilay antsoina hoe goal line moa dia iny matin'i Dax tamin'ny daka mandrivorivo avy eny amin'ny 30m. Tsy nijanona teo anefa ny Fosa fa mbola nahatafiditra ny baolina fahatelo i Andry Max izay mpilalao fahatelo avy tany Antsirabe miaraka amin'i Xavier na Lexa "ontsin'ny" antanana ary ilay mpiandry tsatokazo Fabrice Io isa 3 noho 1 io izany no nisarahana ary entina milaza fa ho sarotra ho an'ny Ajesaia ny lalao miverina any Mahajanga Teo amin'ny lalao manasa-dalana tany Toamasina indray dia nisaraka samy tsy nitoko ny Fanalamanga sy ny COSFA Tsara toerana izany ny miaramila amin'ny lalao miverina. Asa anefa fa malaza mahay antanin'olona ireto Moramanga ireto.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT