Sport

Orange Pro League Kaontin'ny efa lasa ny Fosa Juniors


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Hotontosaina amin'ny faran'ny herinandro izao ny lalao manasa-dalana miverina ny Orange Pro League.

Any Mahahanga no handray ny Ajesaia ny Fosa Juniors izay efa nandresy 3 noho 1 tamin'ny lalao mandroso. Ary raha izay no fipetrany dia efa misy tongotra iray any amin'ny famaranana ny Fosa izay mbola nampian'i Roro Rakotondrabe satria tsy nisy nijoro nanoloana an'i Ghana ny alahady teo iteo moilalaony afatsy i Tsiry ny 5 minitra farany .Na Dax na i Jean Yves sy Donga izay nantsoina farany dia samy tsy nilalao. Sa ve eritreretina hoe mbola tsy manana ny haavo teknika amin'ireny fihaonana avo lenta. Ka raha izay tokoa no izy maninona raha tsy mandeha any Afrika sao dia fihodinana voalohany Indray dia tapitra. Raha tsy hoe angaha hindrana an'i Nina sy Berajo ary Tendry hanentsenana ny banga. Mbola azo entina koa anefa i Feno Ajesaia.. Amin'izay dia maka tahaka kely ekipan'ny CHAN sady ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Ny lalao atao ny alahady aloha dia tena sarotra ho an'ny Ajesaia satria ny eran'ny Kianja Alexandre Rabemananjara dia hanohana Fosa hatramin'ny farany. Ity fanohanan'ny mpijery ity koa no mety ho tombony ho an'ny COSFA raha avoakany ny miaramila handeha ho eny Ambohidratrimo ny sabitsy izao. Tsy azo ambaniana mantsy ny Fanalamanga na dia voatazona sahala aza tany Barikadimy tamin'ny lalao mandroso. Efa zatra ady rahateo ry Tsalo sy namany ka tsy hanaiky lembenana. Tena hiady izany ny baolina fa tsy tahaka ny Fosa Juniors sy Ajesaia.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT