Sport

Orange Pro League Hiady ny famaranana ny Fosa


  • Talata 27 Jona 2023

Efa nampoizina ! Tody any amin'ny famaranana ny Fosa Juniors raha nandresy 3 noho 1 ny Ajesaia tao amin'ny Kianja Alexandre Rabemananjara ny alahady teo.

Tsy nisy dinika fa dia ny isa tamin'ny lalao mandroso ihany no miverina. Ny mpamono baolina no nipva satria raha i Veve (24), Dax (68) ary Feli tamin'ny alalan'ny penalty (88). Ny Ajesaia kosa dia mbola i Feno ihany no namono ny baolina tokana. Noporofoin'ity farany fa mendrika azy ny handrafitra ny ekipam-pirenena saingy ny mampalahelo dia tsy natokisan'i Roro Rakotondrabe izy fa naleony namerina an'i Hakim Abdallah izay nanao ny lalao fahafito teo anivon'ny Barea nefa mbola tsy nahafaty na dia baolina iray aza. Mbola tsy fantatra hatreto ny hihaona amin'ny Fosa satria mbola nisaraka tsy nisy nitoko toy ny tamin'ny lalao mandroso ny COSFA sy ny Fanalamanga. Hisy ny lalao fahatelo izany izay hotontosaina rahampitso.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT