Sport

Orange Pro-League fihodinana faharoa Hoezahin’ny Fosa Juniors Boeny ho tazomina ny “double” azony


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Vonona hitazona an’ireo anaram-boninahitra dia ny anaram-boninahitra maha-tompondakan’i Madagasikara azy sy ny anaram-boninahitra maha-tompon’ny

 

amboara azony tamin’ny taom-pilalaovana lasa ny ekipan’ny Fosa Juniors Fc eo amin’ny fifaninanana baolina kitra D-1. Somary nandreraka kely an’ireo mpilalaonay ny lalao totoafo natrehana tamin’iny tapany voalohany tamin’ny Orange Pro-League sy ny fifaninanana tany ivelany nataonay, hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ity ekipa ity teny amin’ny trano hevany teny amin’ny Mining Business Center tamin’ny talata 28 janoary teo ka rehefa nahazo an’iny fialan-tsasatra kely taorian’iny fihodinana voalohany iny dia niha-nahazo aina tanteraka ireo mpilalao rehetra ka tena ahita lalao baolina kitra mahavalalanina amin’izay ny mpanaraka ny fifaninanana Orange Pro-League manomboka amin’ny andro faha-10 ho tanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity. Mbola tsy tapitra moa ny Mercato Malagasy na fifindran’ny mpilalao ankehitriny ka ho hita eo ihany raha hampiditra mpilalao vaovao izahay na tsia.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT