Sport

Orange pro league, andro faharoa Tsara fiditra ny Zanak’ala


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Na dia moka fohy, 0 noho 1, aza no nandresen’ny Zanak’ala FC ny Dato FC tao an-jaridainany ny sabotsy teo dia azo lazaina ho tsara fiditra ihany izy ireo nahazo izany tao Farafangana ho an’ity sokajy B

 eo amin’ny Orange pro league ity. Azo lazaina ho niady ny lalao saingy nanatombo tamin’ny fampidiram-baolina ny vahiny ka niezaka nitazona izany tombon’isa izany na dia niezaka nanafika hatrany aza ny ekipan’I Farafangana. Mbola manana lalao miisa 12 moa ny roa tonta taorian’izay lalao miisa 2 vitany tao anatin’ity fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy matihanina ity. Mbola afaka manarina ny fahavoazana araka izany ny ekipan’ny farafangana ary mbola mety hitsimbadika koa ny tombon’isa ho an’ny Zanak’ala.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT