Sport

Orange Pro-League andro faha-16 50 tapitrisa ar no lanin’ny CFEM


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Betsaka ireo ekipa efa tonga tany amin’ny toerana saika hiatrehany ny andro faha-16 amin’ny fifaninanana baolina kitra “Orange Pro-League Malagasy”

 

 

tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no no voatery niveri-potsiny any amin’ny toerana niaviany avy noho ny fanambarana avy amin’ny fitondrana Malagasy nilaza fa haato avokoa aloha ireo hetsika ara-panatanjahantena rehetra manerana ny nosy nanomboka tamin’ny zoma 20 martsa 2020 lasa teo. Ny ekipan’ny Cosfa Analamanga ohatra dia fantatra efa tamin’ny alarobia 18 martsa 2020 no efa tonga tany Mahajanga toerana tokony hifanatrehany amin’ny Fosa Juniors Boeny omaly alahady 22 martsa 2020. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny CFEM “Association des Clubs de Football Elites de Madagascar” mpikarakara ny hetsika, Atoa Rakotoharimalala Mirado, fa tsy maintsy nefain’izy ireo avokoa ny volan’ireo “officiels” (mpitsara lalao sns…) ary ny saran-dalan’ireo efa tonga tany amin’ny toerana hilalaovany. Nitentina hatrany amin’ny 50 tapitrisa ar no vola naloan’ny  CFEM tamin’izany.

“Ny teny fohy azo ambara, hoy ity SG-n’ny CFEM ity, dia voalohany ny fialan-tsiny amin’ny tontolon’ny baolina kitra rehetra (mpilalao, officiels, mpijery baolina) amin’ny tsy nahatontosan’ireo lalao rehetra satria ny fahasalaman’ny rehetra no zava-dehibe tsy maintsy notandrovina  araka ny hafatry ny filoham-pirenena ka miangavy ny rehetra araka izany ny CFEM, hoy izy, mba hifanome tanana amin’ny ady atao amin’ity tsimokaretina ity ary hanaraka ihany koa ny toromarika homen’ny tompon’andraikitra mahefa rehetra”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT