Sport

Orange Pro-League andro faha-15 Miakatra tsimoramora ny ekipan’ny Cosfa


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Lalao iray no tsy tontotosa tamin’ny fifaninanana baolina kitra Orange Pro-League Malagasy andro faha-15 notontosaina tamin’ny sabotsy 07

 

 

 

sy omaly alahady 08 martsa 2020 dia ny fihaonan’ny Cnaps Sport Itasy sy ny Club M Mananara Atsinanana noho ny tsy fahatongavan’ity farany teny Vontovorona tamin’ny sabotsy teo. Nivoaka ho mpandresy tsy niady, araka izany, ny Cnaps Sport ka nahazo isa 3-0 tamin’ity lalao ity. Mbola mijanona ho lohalaharana vonjimaika eo amin’ny fifaninanana izany ry zareo avy any Itasy raha miakatra tsimoramora eo amin’ny laharana faharoa indray ny ekipan’ny Cosfa Miaramila raha nandresy ny Fca Ilakaka tamin’io sabotsy io ihany.

 

Voka-dalao azo tamin’ny andro faha-15 :

 

-CNAPS SPORT   3 – 0  CLUB M

-3FB TOLIARA  1 – 5  ELGECO PLUS

-ZANAKALA FC  0 – 1  FOSA JUNIORS

-COSFA  3 – 0 FCA ILAKAKA

-AJESAIA  0 – 2 AS ADEMA

-TIA KITRA  2 – 0 AS JET MADA

 

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT