Orange Madagascar

Hanohana ny «Malagasy Pro Padel Tour»


  • Talata 25 Febroary 2025

Nanavao ny fiaraha-miombona antony ho an’ity taona 2025 ity ny Orange Madagascar sy ny Malagasy Pro Padel,

raha ny fampitam-baovao omaly, ho fanohizana ny stratejia fanohanan’izy ireo ny fanatanjahantena malagasy. Ho lohany amin’ny fanohanana ny hetsika «Malagasy Pro Padel Tour», izay nanomboka ny taona 2023, manomboka eto ity orinasam-pifandraisan-davitra ity, raha ny fanazavana voaray. Ny Padel moa dia karazana fanatanjahantena mifanakaiky amin’ny taranja Tennis sy Badminton, raha tsorina ny filaza azy. Taranja somary mbola vitsy mpahafantatra izy io, raha eto amintsika, na dia teo aza ny fisian’ity hetsika ity efa ho 2 taona izao. Tanjona, noho izany, hoy hatrany ny fanazavàna ny anapariahana azy manerana ny nosy sy ny sehatra rehetra izay tratra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT