Sport

Orange kitra Inter-Instituts Nafanafana teny Andohalo


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Notontosaina omaly alahady 13 mey 2018 teny amin’ny kianja sentetikan’Andohalo ny andro faha-2 amin’ny lalao baolina kitra lalaovin’olona 6 ka hifaninanan’ireo sekoly ambony isan-tsokajiny eto Antananarivo ary karakarain’ny ligin’Analamanga sy ny orinasa Orange Madagascar miaraka.

 

 Nafanafana teny Andohalo tamin’izany satria tao ny nihoitra nanarina ny fahavoazana tamin’ny andro voalohany ary tao koa ireo niezaka nitazona ny fahombiazana efa azony. Nambaran-dRakotoarimanana Tôta filohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga tonga nanatrika ireo fihaonana teny an-toerana fa voaporofo tetsy Andohalo fa tsy ny fianarana an-taratasy ihany akory no manavanana an’ireo tanora manampahaizana Malagasy fa havanana amin’ny filalaovana baolina kitra koa izy ireo ary mivoy ny fiaraha-misalahy eo amin’ny fiainana .

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT