Sport

Orange Kitra Inter-Institut Lasan’ny Sekoly IUM ny amboara sy ny 1 tapitrisa ariary


  • Talata 29 Mey 2018

Nifarana ny sabotsy 26 mey 2018 teo teny amin’ny kianja sentetika Andohalo ny fifaninana kitra lalaovin’olona 6 ny “Orange Kitra Inter-Institut” na ny baolina kitra nifaninanan’ireo sekoly ambony eto an-drenivohitra niisa 19.

Voahosotra ho tompondakan’ity andiany voalohany amin’ny fifaninanana ity ny ekipan’ny sekoly IUM nandresy ny ESPM 3-0 teo amin’ny famaranana ka notolorana ny amboara sy ny medaly volamena ary ny lelavola 1 tapitrisa ariary nomen’ny ligin’ny baolina kitran’Analamanga tarihan’ny filohany Rakotoarimanana Tôta Henintsoa. Mbola notoloran’ny tomponandraikitry ny Orange “Débardeur” tsirairay avy koa tahaka ny mpilalaon’ny Aceem nitana ny laharana faha-3 sy ny Espm faha-2 ity ireo mpilalaon’ity ekipa tompondaka ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT