Sport

Orange Kitra Fiangonana Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro ny fifanintsanana


  • Talata 03 Oktobra 2017

Filaharambe, niainga tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy nihazo ny kianjan’i Mahamasina,

ka nandraisan’ireo ekipa maro handray anjara amin’ny fifaninanana no nentina nanamarika ny fanombohan’ny hetsika baolina kitra « Orange Kitra Fiangonana » ny sabotsy 30 septambra teo izay karakarain’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga hiarahany misalahy amin’ny orinasa Orange Madagascar. Narahina lalaom-piralahiana nifanandrinandrinan’ny ekipa nahita an’ireo Ben’ny tanàna rehetra eto Analamanga notarihan’ny Lehiben’ny Faritra sy ny ekipan’ireo mpiandraikita fiangonanana samihafa avy hatrany izany tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina izay nisaraka ady sahala 3 noho 3. Fantatra fa hanomboka amin’ny faran’ny herinandro izao ny tena fifanintsanana amin’ity hetsika ity ka voalaza fa handray anjara avokoa ireo ekipa  nisoratra anarana. Ny kianjan’i Mahamasina, kianjan’Alarobia, kianjan’i Carion, kianjan’i Cheminot Antanimena, kianjan’i Bevalala ary ireo kianjan’ny Akamasoa ambony sy ambany no indray handray ny fihaonana rehetra.

Ntsoavina Evaiste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT