Sport

Orange Kitra 2019 Mini Can Norombahin’i Senegal ny fandresena


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Norombahin’ny ekipan’ny Les Elites (Senegal) ny fandresena teo amin’ny fifaninanana Orange kitra 2019 Mini Can na fanahafana ny Can 2019 natao tany Egypte ka nandrombahany ny amboara sy lelavola 500.000 Ar tamin’izany.

 

 

 

Resin-dry zareo tamin’ny tirs au but 3 – 2 omaly alahady 21 jolay 2019,  tamin’ny lalao famaranana natao teny amin’ny kianja Elgeco Plus teny amin’ny By Pass, ny ekipan’ny Mi-20 (Cameroun)l rehefa nirava ady sahala 0-0 ny roa tonta teo amin’ny fotoana ara-dalàna. Ny Rmd  (Namibie) nandresy an’i  Sab Nam (Guinée) teo amin’ny fiadian-toerana no nitana ny laharana faha-3 tamin’ity fifaninanana ity. Nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika indrindra kosa i Jean Yves (Senegal) ary mpiandry harato mendrika indrindra i Joma (Cameroun). Samy notoloran’ny Orange Madagascar “maillots complets” avokoa ireo ekipa 24 nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Eritreretina hoentina any amin’ny Faritra avaratry ny nosy ny Orange Kitra 2020 manaraka, hoy Rtoa Rakotomalala Anita “Chef de department sponsoring” ao amin’ny Orange Madagasikara, raha tsy misy ny sampona.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT