Sport

Open pétanque Boss-Elite Lasan’i Yves sy Lesakely ny 2.000.000 ariary


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Lasan’i Yves sy Lesakely ireo amboara lehibe 2 sy ny vola 2.000.000 ariary tamin’ny fifaninanana tsipy kanetibe “Open pétanque Boss-Elite” nokarakarain’ny CBT, nahazo tohana mavitrika tamin’ny Orinasa Sbs, tetsy amin’ny Boulodrôme Cbt etsy Mahamasina ny sabotsy 12 sy omaly alahady 13 mey 2018.

Lavon’izy ireo teo amin’ny lalao famaranana i Solofo sy Tafita izay notolorana kosa lelavola 400.000 ariary. Samy nahazo 150.000 ariary avy kosa ry Salim sy Hery avy any Morondava nitana ny laharana faha-3 sy Joro sy Rindra nitana ny laharana faha-4. Nambaran-dRaheriniaina Yves filohan’ny CBT am-perinsa fa fanomezam-boninahitra ireo Boss pétanque sy ny “Communauté Indienne” milalao tsipy kanetibe ity hetsika ity ka izany no nahamaro azy ireo nandray anjara tamin’ny hetsika.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT