Sport

Open International BMOI-Madauto Hitarafana ny fahaizan’ny Malagasy Tenisy


  • Talata 05 Novambra 2019

Hisy ny lalao tenisy izay hokarakarain’ny Country Club Ilafy (Open International BMOI-Madauto) manomboka ny 5 hatramin’ny 10 novambra izay hatao eo ambany fiahin’ny Ligin’ny Tenisy Analamanga.

 

Efa nanomboka tamin’ny volana septambra ary nifarana tamin’ny Alahady lasa teo ny fifanintsanana izay natao teto Madagasikara. Mihoatra ny 100 ny mpilalao nandray anjara ka miisa 8 ny lehilahy ary 4 ny vehivavy sangany indrindra voasafidy hiatrika ity fifaninana ity. Ankoatr’ireo dia hisy mpilalao vahiny nasaina ka anisan’ny ho avy ny mpilalao avy any Arzantina miisa 2. Tanjona  ny hitarafana indray ny mpilalao Malagasy nandritra izay  herintaona izay  ny fahaiza-manaony sy ny fiakarany hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena. Mihoatra ny 12 tapitrisa Ariary ny vola ho zaraina ary na resy fihodinana voalohany aza dia efa mandray amin’izany sahady.

Tsirinasolo

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT