Tapitra afak’omaly alahady 29 septambra ilay fifaninanana Open Grand Prix d e Karate notontosaina tany Turquie.
Atleta niisa 1008 avy amin’ny firenena 39 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Teo amin’ny “Masters” izay nandraisan’ireo maître samihafa anjara dia nandromba ny medaly volamena tamin’ny alalan’i Me Ratefiananahary Emile “Emile Vazaha” sy medaly alimo tamin’ny alalan’i Me Miora Razafindrakoto izay samy Coach an’ireo katitakely tany an-toerana ihany koa. Teo amin’ireo tanora 7 mianadahy niatrika ny fifaninanana Open kosa dia i Noah Netharnaël sokajy U 10 no nandrombaka ny medaly volafotsy. Ireo teo amin’ny sokajy hafa kosa dia nisy ny nahazo ny laharana faha-5 sy laharana faha-7 tamin’izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.