Open Africa 2025 Bresilien", taranja Jiu-jitsu

Medaly volamena miisa 2 no azon’ny malagasy


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Enoka, 9 taona, sy Itiela no nandrombaka ny medaly volamena tamin’ireo malagasy miisa 20

nandray anjara tamin'ny "Open Africa 2025 Bresilien" natao tao amin’ny nosy Maorisy ny 27 sy 28 aprily 2025 lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nisongadina, araka izany, i Madagasikara satria miisa 400 ireo mpandray anjara tamin’ity lalao Jiu-jitsu brezilianina ity ary izao nibata ny amboara nody eto an-tanindrazana izao. Tsy kisendrasendra no nahafahan'i Enoka sy Itiela nibata ny amboara lehibe toy izao fa nipetrapetraka avokoa ny fanomanana teto an-tanindrazana nanomboka tamin'ny volana janoary 2022 katramin'ny volana aprily 2025 lasa teo, hoy ny fanazavàna. Tao anatin'izany ny fikotranana mafy teto an-toerana sy tao amin’ny nosy Maorisy fa eo ihany koa ny fifehezana napetraky ny ray aman-dreny na ny fitsipika, izany hoe "Discipline", ny fanomanana aran-tsaina sy ara-bola, indrindra indrindra, satria tsy misy nanampy izy ireo tao anatin'izay fotoana lava be izay ka hatramin'izao nahazoana vokatra reharehan'i Madagasikara izao. In-dimy isan-kerinandro izy miandahy ireto no mikotrana amin’ny lomano sy ireo karazana kotrana mifanaraka amin’ity tarana ity. Nisy ihany koa ny fiarahana mikotrana tamin'ny klioba Checkmat in-droa isan-kerinandro ary in-droa isan-kerinandro hafa iarahana amin’ny mpanazatra manokana nataon'ny ray aman-drenin'izy mianadahy ireto. Amin'ny mbola maha mpianatra azy mianadahy ireo anefa dia tsy maintsy nampifanarahana tamin'ny tetiandro ao amin'ny sekoly misy azy ireo ny fandaharana mahakasika ny fanatanjahantena ataon'izy ireo na ilay atsoina hoe "Programme Homoschooling Paul Minault». Manao antso avo amin'ny tomponandraikitra voakasika, araka izany, ny ray aman-drenin'izy mianadahy ireto ny amin’ny tokony hijerena azy ireo, eny na tsy amin’ny lafiny ara-bola ihany aza fa eo amin'ny lafiny fampitaovana sy fanohanana amin’ny fomba maro samihafa. Mandrisika ny ray aman-dreny ihany izy ireo ny hanohana ny zanaka amin’ny taranja izay tian'ny ankizy sy handrisika azy ireny amin'ny sehatry ny fanatanjahantena. Ny Alakamisy 1 may 2025 lasa teo izy miandahy no notsenaina tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato niaraka tamin'ny medaly volamena miisa 2 azon'izy ireo nandritra ny lalao Jiu Jitsu brezilianina, raha ny tati-baovao voaray ny sabotsy teo hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT