Sport

Onja sy Nina - Barea CHAN Notsenain'Antsirabe tamin'ny fomba manetriketrika


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Hafaliana sy endrika mirana no nitsenain'ny vahoaka an'Antsirabe ireo Barea roalahy dia tsy iza izany fa i Onja sy Nina.

Nanomboka afaka kely an'i Sambaina no nitandrozotra ny aotomibilina sy moto maro nihoby ireo mahery fo ireo. Sabotsy koa moa ny andro ka vory lanona ny vahoaka. Tsotra ny valintenin'i tovolahy iray raha nanontaniana ny antony tena nahafaly azy. "Tena faly izahay fa tsary nahazo fandresena izany isika raha tsary nisy an'i Nina" . I Nina izay diso fantatry ny vahoakan'Antsirabe raha mbola nanao basket . I Onja indray dia nianatra tao amin'ny Akademia Ny Antsika izay tena fitaratry ny baolina kitra eto Antsirabe.
INDRO KELY
Ny indro kely tamin'ny lanona dia ny nahitana an'i Ronaldo nilahatra niaraka tamin'i Nina sy Onja sady misalotra ny akanjo maintso Bateau no mbola mitondra badge ihany koa hany ka noheverin'ny sasany ho toy ny mahery fo ihany koa. An'i Ronaldo ny sehatra io andro io nefa anie dia ilay badge nidirana teo Mahamasina no teny am-bozonany .Amin'izay indray mbola miteniteny foana fa tsy araky ny filazana hoe mpanentana. Mba ampianaro fahalalam-pomba ihany ny zaza indray. eo anoloan'ny gara ve ianao no hikiakiaky hoe iza isika ? Valiny : anay tsa izy anga.

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT