Sport

Olan’ny tsipy kanetibe Malagasy Miantso ny minisitera hanapa-kevitra ny FSMB


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Taorian’ny nahazoan’ny mpitantana FSBM “Federation Sport Boules Malagasy” taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny Mjs “Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena” ka nahafahany nitondra mpilalao tsipy

 

 

 

kanetibe niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2019 tany Togo tamin’ny volana jona 2019 lasa teo ary nahatafita ny ekipa Malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany eo amin’ny sokajy lehilahy olon-telo miaraka amin’ny taona 2020  dia nanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomen’ny  Mjs ny amin’ny tsy hikarakarany na andraisany andraikitra eo amin’ity taranja tsipy kantibe Malagsy intsony aloha mandra-pahazo taratasy mazava indray ny mpitantana FSBM  izay hany eken’ny FIPJP  “Federasiona Iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe” hitantana ny Tsipy kanetibe Malagasy sy handefa mpilalao Malagasy hiatrika fifaninana any ivelany any. Nambaran’ny filohan’ity FSBM ity, Randriamarohaja Dolys, tetsy Mahamasina omaly fa mangataka ny minisitera hanome an’io taratasy fankatoavana azy ireo io ny FSBM mba  hahafahany miantso mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena vehivavy sy junior olon-telo miaraka avy amin’ny fanomanantena hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hotontosaina amin’ny volana novambra 2019 any Cambodge niantsoana antsika Malagasy. Marihana, hoy izy, fa amin’ny 15 septambra izao ny fe-potoana farany hahazoantsika manamafy ny handraisantsika anjara amin’ireo fifaninanana ireo. Ny mpilalao Malagasy manana karatra FSBM ihany no ankatoavin’ny FIPJP handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena fa ny mpitantana FMP teo aloha dia tsy afaka manao na inona na  inona intsony eo amin’ity sehatry ny tsipy kanetibe Malagasy ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT