Sport

Olan’ny FMF “Maha kely hery ny ekipam-pirenena”


  • Talata 20 Oktobra 2020

Fanazaran-tena ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra tamin’ny divizionina voalohany avy atsy Luxembourg dia ny Swift Esperange sy ny ekipam-pirenen’i Burkina faso, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana misehatra amin’ny baolina kitra K2HB.

 

 

 Nisy fitsapana mpilalao be dia be tao anatin’ireny ary tsy hitsarana ireo hiatrika an’i Cote d’Ivoire amin’ny novambra ireny fa aleo aza misy ireny dia hita ny hanitsiana azy. Be dia be ny mpilalaon’ny Barea nefa isika miheritreritry ny hanova ary raha resaka taona dia azo lazaina hoe efa ambony, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Jean Ignace Randrianirina. Zaka ve raha ny mpilalao teo aloha ihany no hiatrika ny novambra? Mila fandresena ny Barea saingy manana olana amin’ny resaka fitantanana isika ary isan’ny maha kely hery ny ekipam-pirenena io satria ilay mpiahy mihitsy no misy fizarazarana. Raha tena manam-piniavana ny mpitantana ny baolina kitra dia nisy asa goavana natao teny Ivato tamin’ny febroary. Ahoana no hanohizana iny dinika iny? Raha tiana ny hahazo vokatra tsara amin’ny novambra dia avelao hiasa malalaka ny mpanazatra Nicolas Dupuis, hoy hatrany ny K2HB ary tokony hampivory ireo komity mpanatanteraka ny FMF hijerena ny tohin’iny tamin’ny febroary nandaniana volabe. Aiza ny komity mpanara-maso ny tohiny, hoy ny K2HB ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT