Sport

Olan’ny fisotroan-dronono any Frantsa Miantso fitokonana faobe ny sendikalista anio


  • Talata 03 Martsa 2020

Ny sabotsy 28 martsa izao dia nampandre ny praiminisitra Edouard Phillipe fa hampihatra ny and. faha-49 andl faha-3 ao anatin`ny lalàmpanorenana mba hahafahana mandany ilay lalàna momba ny fanavaozana ny fisotroan-dronono any Frantsa.

 

 

 

Ity andinin-dalàna ity dia manome vahana ny mpitondra mandany lalàna iray tsy mandala tsangan-tanana eny anivon`ny Antenimiera. Namoaka fanambarana iombonana ireo sendikalista avy amin`ny CGT, FO, CFE-CGC, la FSU et Solidaires, ny vondron`ny mpianatry ny lisea (Fidl), MNL, UNL ary ny mpianatry ny  Unef. Raha ny votoatin`ny fanambarana dia milaza fa tsy mahafehy ny tetikasa ny fitondram-panjakana taorian`ny fandalovana teo anivon`ny Antenimiera matoa hiroso amin`ny fampiharana io andinin-dalàna io 49.3 io. Tsapa fa banga sy mandeha ila io volavolan-dalàna io ary voaporofo fa mikasa hanao tery vay manta ny governemanta frantsay, hoy hatrany ny fanambarana. Miantso fitokonana faobe indray ireo sendikalista anio entina hanoherana io volavolan-dalàna mikasika ny  fisotroan-dronono.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT