Sport

Olan’ny fifidianana baolina kitra Malagasy Nandao antsika omaly hariva ny iraky ny FIFA sy CAF


  • Zoma 16 Martsa 2018

Rehefa avy nihaona tamin’ny ankolafin-kery Malagasy eo amin’ny sehatry ny baolina kitra toy ny birao mpanatanteraky ny FMF,

   ireo mpikambana ao amin’ny CEN Football, ny filohan’ny fikambanan’ireo ligim-paritra eto amintsika ary koa ireo andian’olona nametraka fitarainana tany amin’izy ireo nivantana ireo solontena 3 manokana nalefan’ny FIFA sy CAF hijery ny zava-misy marina eo amn’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy dia nandao an’i Madagasikara omaly harivan’ny alarobia 15 martsa 2018 ary nilaza fa afaka andro vitsivitsy (mety afaka herinandro na mahery kely) no handefa ny fehin-kevitra tamin’ny zava-boadiniky ry zareo tamin’ny fihaonana tamin’ireo ankolafin’olona voatanisa ireo ry zareo. Eo am-piandrasana izany dia mitohy ny hetsika eo amin’ity sehatry ny baolina kitra Malagasy ity ka fantatra fa hiara-hiroana ho any Mahajanga indray hanohana ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny amin’ny fiatrehana ny lalao miverin’ny 1/16-ndalan’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF taona 2018 amin’ny alahady 18 martsa izao hifanandrinany amin’ny ekipan’ny ASPL 2000  Maorisianina ny mpitia baolina kitra Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT