Sport

Olan’ny Elgeco Plus sy Fosa Juniors Fc Aoka hampitoviana lenta ireo ekipa rehetra, hoy Atoa Alfred


  • Zoma 17 Janoary 2020

Nivoaka ankehitriny ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fivorian'ireo rafitra misahana ny fitsipika amin'ny fifaninanana Orange Pro-League Malagasy fa :

 

 

 

 1- Naharesy ambony latabatra, mahazo isa 3 ny Fosa Juniors Fc, taorian´ny tsy faneken´ny Elgeco Plus hanohy ny lalao intsony tamin’ny andro faha-9 tany Mahajanga. 2- Mandoa sazy ara-bola 2 Tapitrisa Ariary ity ekipa ity. 3- Nahazo sazy miantona ihany koa ny Elgeco Plus, ka hesorina hiala ny fifaninanana, raha mbola mandika ny lalàna mifehy ny fifaninana. 4- Ny sazy manokana ho an´ny mpilalaon´ny ekipa roa tonta indray, dia napetraky ny CFEM eo am-pelatanan´ny Commission de disciplines eo anivon´ny FMF ny fanapahana. Efa nalefa nivantana any amin’ny SG ny FMF ity fanapahan-kevitra ity, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Orange Pro-League Malagasy.

Nilaza ho tsy mbola naharay an’izany didy izany kosa Atoa Andriamanampisoa Afred filoha mpanorina ny Elgco Plus amin’ny maha filohan’ny “Commission de competition” azy ao amin’ny FMF fa tamin’ny gazety kosa no nahitany azy. Nambarany ihany koa fa nahoana no tsy nahazo sazy ny Fosa Juniors Fc tamin’ny tranga nitovy tamin’ny fihaonany sy ny Cnaps Sport teny Vontovorona ? Aiza izay mba sazy homena ny mpitsara fositry ny fifanolanana tamin’iny lalao iny, hoy izy. Tsy ekena intsony amin’ny manaraka ny hoe ny filohan’ny ligy mpampiantrano ihany no ho « Commissaire au match » amin’ny lalao fa lasa manao « juge et parti » izy ary farany dia nambarany fa tokony hampitoviana lenta ireo ekipa mandray anjara amin’ny fihaonana Pro-League mba hampisondratana ity baolina kitra Malagasy ity.
Lalao tara  tamin'ny andro faha roa eo amin'ny Fosa Juniors FC sy ny FCA Ilakaka izay hotontosaina any Mahajanga ny alarobia 22 janoary 2020 ho avy izao amin'ny 2ora sy sasany ao amin'ny kianja Rabemananjara no tohin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT