Sport

Olana eo amin’ny tontolon’ny Rugby Hanao diabe ny FTMRAT


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Tapak’ireo mpikambana, notarihan’ny filohany, Naina Be na Rakotondrafara Jean Heriniaina, nivory tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly talata 7 aogositra 2018 tolakandro fa hanatanteraka « Diabe »

 

 hanoherana ny tsy rariny mianjady amin’ny tontolon’ny lavalava ankehitriny ny FTMRAT « Fikambanan’ny Tanora Mpanao Rugby eny Ambany Tanàna » amin’ity herinandro hitsahana ity. Mahatsiaro fangirifiriana loatra izy ireo. Amin’ny maha filohan’ny kaomision’ny seksiona Tanà-ville ahy ihany koa, hoy i Nainabe, dia nahatanteraka ny « championnat » an’ity kaomisiona ity nampiandraiketin’ny Malagasy Rugby hotarihako aho tamin’ity taona ity nefa dia nailika fotsiny avy eo. Mbola niharan’ny antsojay tsy navela nandray anjara tamin’ny fiadiana ny « Coupe de l’indépendance 2018 » nokarakarainay tetsy Mahamasina ny alahady 5 aogositra teo koa  ny fileovana Matadorea. Ampy izay, hoy ny FTMRAT, ka miantso ny mpitia rugby rehetra eto Antananarivo izahay hanatevin-daharana an’izao Diabe izao, ary mangataka ny seksiona Antananarivo Renivohitra sy ny Ligin’Analamanga ihany koa hifanotrona aminay. Hangataka ny hihaona amin’ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy ankehitriny izahay ary hitondra sorabaventy mitaky ny hialan’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, amin’ny toerana ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT