Sport

Olana ara-piarahamonina Zaza 956 no very teto Antananarivo


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Nahatratra 956 ny fitarainana zaza very voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana hatreto.

 

 

 

 

 Ny 637 amin’ireo dia nitsoaka an-daharana niala tao an-tokantranon-dray aman-dreniny avokoa,  raha antony hafa  kosa ny 219 ambiny. Ny 739 tamin’ireo no nampahafantarina ny polisy  ny fiverenany tao an-tokantranon-dray aman-dreniny, roa no namoy ny ainy  raha tsy nampahafantarina kosa ny vaovao momba ireo ambiny. Nantitranterin’ny kaomisera  Andriamiandra Fidy, tompon’andraikitra eo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana   moa fa vokatry ny  tahotr’ireo ankizy ny ray aman-dreniny ny amin’ny  mety fibedesana hahazo azy no antony mahatonga azy ireny hitsoaka ankoatra ny esoeso sy henatra mety mahazo azy any  am-pianarana noho ny tsy fahaloavana saram-pianarana, ohatra. Eo ihany koa ireo ankizy tia andrankandrana mihoatra ny 15 taona ka voatariky ny namany hanao ny tsy fanaony.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT