Sport

Nopotehin-dry be politika ny BAREA Natao kitsapatsapa toy ny fitantanana ny firenena


  • Talata 28 Martsa 2023

Resy sy niondrika tamin’ny isa 2-0 indray ny Barean’i Madagasikara tany Douala Cameroun omaly rehefa nomontsanin’i Centrafrique tamin’ny isa mavesatra 3-0 tetsy Mahamasina ny alakamisy 23 martsa 2023 lasa teo.

Tapitra hatreo ny nofinofy hiakarana amin’ny CAN 2023 satria isa 1 monja no azon’i Nicolas Dupuis teo am-pitantanana indray ny Barea, tao anatin’ny lalao 4 natao. Tsy nisy fandresena na iray monja aza fa ady sahala iray sy faharesena goavana telo. Ity mpanazatra ity izay efa tany amin’ny fifanintsanan’ny CAN talohan’izao no nandiso fanantenana satria fandresena 1-0 nanoloana an’I Niger tany Barikadimy ny 30 martsa 2021 dia efa nahafantsika niakarantsika tamin’ny CAN tany Cameroun na dia nomontsanin’I Ethiopie 4-0 aza talohan’izay, saingy tsy nahitany vahaolana ny fitadiavana fandresena. Vokany, nesorin’ny Federasionina ity mpanazatra Frantsay ity taorian’izay, ka napetraka teo amin’izany toerana izany I Eric Rabesandratana. Sosotra tamin’izany I Andry Rajoelina, ka nilaza ny septambra 2021 fa tsy famotehana fotsiny an’I Nicolas Dupuis fa famotehana mihitsy ny kitra Malagasy ny nanesorana ity farany. Tamin’ny nitantanan’I Eric Rabesandratana tao anatin’ny fotoana fohy nandresentsika 1-0 an’I RD Congo isan’ny ekipa matanjaka aty Afrika no fandresena voalohany azon’ny Barea A teo Mahamasina hatramin’ny nanamboarana io kianja io, ary io ihany hatreto! Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nanao vava sy fandrahonana mivantana rehefa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapony ny resaka fitokanana kianja sy ny tsy fahafahana namory vahoaka tamin’izany ka nivoahan’ilay hoe: “Fantatro daholo ianareo ireo, ho hitanareo ny hahazo anareo”, niha nangotraka ny fanenjehana ny Filohan’ny Federasionina Arizaka Raoul. Rehefa very toerana tao amin’ny Barea dia ny Filoham-pirenena mivantana indray no nametraka azy ho Mpitantana izany “Academie Nationale Des Sports De Haut Niveau” ka asa hoe: mby aiza io? Nailika I Eric Rabesandrandratana vao nisy hirika satria tsy nahafa-po ny vokatra na nihatsara aza ny filalaon’ny ekipam-pirenena. Naverina i Nicolas Dupuis, izay nidrikina fa mbola tsy tapitra ny fifanarahany, olona akaiky ny fitondrana rahateo, mba tsy hilazana hoe: mpiara-mibizina, ka dia toa tratry ny tsindry ny Federasionina namerenana azy. Io ny vokany!


KITSAPATSAPA OHATRY NY FITANTAN’NY FANJAKANA
Ny fahombiazana amin’ny fahatanjahantena dia mety hiteraka tsio-drivotra ho an’ny fiakaran’ny toekarena, ary ny fahalementsika ao anatiny ihany koa dia taratry ny fahantran’ny firenena. Io niaraha nahita io vokatra satria toa endrika kitsapatsapa tsy misy politika mazava tahaka ny fitantanan’ny mpitondra ankehitriny firenena ny fitantanana ny ekipam-pirenena, ny fandaharana mpilalao eny ambony kianja, nohambaniana ho “amateur” ny lentan’ny mpilalao tany amin’ny CHAN, niady an-trano ny mpanazatra sy ny mpilalao,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT