Sport

Nomen’ny FIFA rariny i Dax Azon’ny Kaizer Chiefs hakarina an-kianja


  • Zoma 14 Septambra 2018

Nomen’ny Federasionina iraisam-pirenena momba ny baolina kitra na ny FIFA rariny i Andriamirado Arohasina na i Dax, ka afaka mifindra soa aman-tsara sy milalao ao amin’ny klioba Kaizer Chiefs amin’izao fotoana taorian’ny olana samihafa.

 

 

Nambaran’ny teo anivon’ny FIFA fa tsy nanana fifanarahana arak’asa tamin’ny Fosa Junior ity mpilalao iraisam-pirenena Malagasy ity. Marihina fa nifandroritan’ny Klioban’ny Fosa Juniors sy ny Kaizer Chiefs i Dax noho ny tsy fisian’ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hisalotra ny laharana faha-6 izy raha toa ka faha-23 fony tao amin’ny Fosa Juniors. Ny 7 septambra, roa andro nialoha ny nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Sénégal moa ny tenany, dia manambara tamin'ny fomba ofisialy ny fialany tsy hilalao kitra iraisam-pirenena. Tsy ho ao anatin'ny ekipam-pirenena intsony aho, hoy izy izay nilaza ho malahelo ny amin'ny nanakanan'ny Federasionina ny faniriany hilalao ho an'ny Kaizer Chiefs, ka nanamafisany fa tsy nanana “contrat professional” tamina klioba teto Madagasikara izy. Re ankehitriny fa niverina tamin'ny teniny izy ary nilaza fa hanampy ny Barea taorian'iny vaovao tsara nanomezan’ny FIFA rariny azy.


Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT