Sport

Nofo mangatsiakan’i Gôly Be Ho tonga eto Madagasikara amin’ny 24 janoary


  • Zoma 15 Janoary 2021

Raha tsy misy ny fiovana, dia ho tonga eto Madagasikara amin’ny alahady 24

 

 

 

janoaryizao ny nofo mangatsiakan’i Rafalimanana Ferdinand (Gôly Be). Mialohan’izany, ho tonga eto Madagasikara ny vady aman-janany ny alahady 17 janoary izao kosa,navelan’Itompokolahy sy Rtoa kely zanany. Etsy andanin’izany nanatanteraka ny fiaraha-mientana amin’ny fahalasan'i Gôly Be ihany koa ny Foibem-paritry ny Fanatanjahantena ao Boeny miaraka amin’ny manam-pahefana any an-toerana, ka anasana ny rehetra ny hetsika. Nanomboka omaly ary mbola hitohy androany zoma, nisy ny fanangonana ny tolo-tanana ho fanampiana ny fianakaviana amin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan'Itompokolahy eto an-tanindrazana. Manoloana ny Lapan'ny Tanàna ny fotoana voatokana amin’izany. Ny sabotsy 16 janoary 2021 tontolo ny andro, hisy lalao baolina kitra ao amin’ny kianja Rabemananjara. Ny alahady 17 janoary 2021 amin’ny 6 ora hariva no fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana azy ao amin’ny EKAR Mahbibo.

\Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT