Sport

Njiva Rakotoharimalala Nanoratra tantara niaraka tamin’ny Barea


  • Talata 12 Oktobra 2021

Njiva Rakotoharimalala no voasokajy ho mpilalaon'ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea nanoratra tantara indrindra ho an'ny Kitra Malagasy hatreto.

 Ny baolina tokana tafiditr'ity lohalaharana mitondra ny laharana faha 10 ity teny amin'ny kianjan’i Vontovorona ny 22 oktobra 2018 no nahazoan'izany ekipam-pirenentsika izany ny tapakila voalohany nandraisana anjara tamin’izany atao hoe tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja baolina kitra izany, ho an’ny ekipam-pirenena sokajy zokiny na “senior”. Isika ihany koa tamin’izay fotoana izay, izany hoe tamin’ny 2 taona lasa, no ekipam-pirenena voalohany tafakatra hiady ny dingan’ny famaranan’ny CAN 2019. Njiva ihany koa iny ny alin’ny alahady teo no mpilalaon'ny ekipam-pirenena Malagasy voalohany nahatafiditra baolina teo amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT