Sport

Niteny i Ahmad « Laviko ny fanasaziana ahy »


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Tsy natao tamin’ny fomba mahitsy, ary nisy fitanilana ny fanadihadiana

 

 

nataon’ny Vaomiera eo anivon’ny Kaomisionin’ny etikan’ny FIFA notarihin’i Maria Claudia Rojas namelezana ny CAF sy ny Filohany, hoy ny fanambarana an-taratasy nataon’ny Ekipan’i Ahmad mitondra ny datin’ny talata 24 novambra. Tsy azo antoka ihany koa ny fanadihadiana tsy tokony hitanila nataon’ny « Cabinet d’audit PwC » nalefa hitsirika ny fitantanana ny baolina kitra Afrikanina noho ny resaka tombotsoa na « conflit d’intérêt ». Misy ihany koa ny feo mandeha amin’ny fisiana dian-tànan’ny FIFA tamin’ny asan’ny Kaomisionin’ny Etika mahaleotena, araka ny resaky ny fampahalalam-baovao Eoropeanina sy Afrikanina. Nisy ihany koa ny fiporitsahana antontam-baovao sahady amin’ny dingana mbola mandeha izay misy ny tafiditra ao anatin’ny tsiambaratelo. Nolavina ihany koa ny fahafahan’i Ahmad hanana vavolombelona tamin’ny fanadihadiana. Nangataka ny hampiatoana io sazy io i Ahmad sy ny ekipany, hafahafahany manao fampielezan-kevitra amin’ny maha mbola kandida ho Filohan’ny CAF azy, ary miandrandra ny fanafoanan’ny TAS (Tribunal Arbitral du Sport) izany. Tao amin’ny tambajotra Twitter ihany koa no nilazan’i Ahmad, fa manohitra ny sazy navoaka izy, ary fanohintohinana ny kitra Afrikanina izay hatao lasibatra io, raha ny nambarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT