Sport

Nitaraina i Nicolas Dupuis “Misy fahabangana goavana ny ekipa”


  • Talata 10 Novambra 2020

Nanao fampahafantarana momba ny fisian’ny olana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy ny mpanazatra Nicolas Dupuis omaly, tany Abidjan, izay nisaotra tamin’ny fitsenana nakotroka.

 

 

 “Ny Staff sy ny ankabeazan'ireo mpilalao kosa dia anio hariva no ho tonga. Ao amin'ny stade Ouattara no hanantanterahanay ny fanazaran-tena manomboka rahampitso sy ny alarobia. Ny lalao amin'ny alakamisy dia amin'ny 7ora aty Madagasikara. Misy ny fahabangana goavana eo amin'ny mpilalao (Covid-19), mety ihany koa eo amin'ny fahazoan-dalana”, hoy ity mpanazatra ity. Tsy nisy aloha ny isa mazava ho an’ireo mpilalao mety tsy ho afaka hihazo an’I Abidjan – Côte d’Ivoire. Raha voalaza ny alahady teo fa efa an-dalana i Romain Metanire, dia mbola nilalao tao amin’ny kilobany izy, ary omaly tamin’ny 2ora sy sasany maraina no vita ny lalaon’ny Minnesota United sy ny Dallas, izay nandresen-dry Metanire 3-0, ka andrasana na nihazo an’I Abidjan izy taorian’ny lalao na tsia satria tsy misy ny vaovao ofisialy, mangingina ny FMF. Ny mpiandry tsato-kazo roa dia i Melvin sy Nina no efa tena azo antoka fa tonga, ary nisy ny loharanom-baovao tsy ofisialy nilaza fa isan’ireo efa nanainga i Dax. Efa nanainga omaly kosa i Zotsara sy William Gros, Sylvio Ouassiero, Caloin, Voavy Paulin, Bolida. Andrasana anio hoe firy tamin’ny 25 no tonga soamantsara

VOAN’NY COVID-19 I ABEL ANICET

“Roa andro nialohan’ny lalao nifanandrinana tamin’ny Tottenham izahay no nanao nanao fitiliana ka niiba. Ny marainan’ny andro nanatanterahana ny lalao anefa navesatra be ny lohako ary mitady ho voan’ny tazo izany. Nanahy ny tsy havita hiatraka ilay lalao ny tenako ka nampandre ny klioba, nihinana fanafody ary naka aina natory, azoazoko ny aiko rehefa nifoha aho ary niatraka iny match iny, fa mbola henoko sarotra tamiko ny mihazakazaka sy mihetsika fa notereko fotsiny. Vita ny lalao nangatsika be indray ny tenako no sady vizana be, niantso ny dokoteran’ny klioba indray izaho ka ny zoma maraina ihany dia nanao fitiliana vaovao ho an’ny ekipam-pirenena, tonga dia “positif”. Efa nanomboka zoma ny tenako no nihiboka. Hatramin’izao mbola tsy maheno fofona sakafo na ranomanitra ary efa manomboka mihatsara tsy kely kely. Tena malahelo ny fo, fa izay ilay lahatra. Mankahery sy mirary soa ny Barea hiatrika an’i Côte d’Ivoire”, hoy i Abel Anicet.

 

BOLIDA TSY HILALAO ANY TOAMASINA

 "Tokony ho teraka amin'ity volana ity ny vadiko ka tsy nieritreritra ny anao an'ilay match mifanohitra amin'ny Côte d'Ivoire mihintsy aho. Fa noho nifandinika izahay mivady de noreseny lahatra aho ande iany. Noho izany dia nanapa-kevitra ny anao ny "match aller" ihany aho. Miala tsiny amin'ny mpankafia satria tsy afaka ny ho any Tamatave amin'ny "match retour". Tsy afaka ny hamela ny vadiko bevohoka irery miaraka amin'ny zanako kely 2 aho. Mino aho fa azonareo ny toerako", hoy i Nomenjanahary Lalaina na i Bolida, teo am-piaingana hihazo an'i Abidjan Côte d'Ivoire androany.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT