Sport

Nilamindamina ny raharaha Arnaud Miandry taom-pilalaovana iray vao afa-mifindra


  • Talata 04 Febroary 2020

Niravona ny olana teo amin’ny klioban'ny Ajesaia sy ny Cnaps manoloana ilay fifanolanana sy adihevitra,

 ka tsy nahafahan-dRandrianantenaina Arnaud nilalao tany amin’ny Klioban’i Grenoble Foot 38. Niezaka nandamina ity raharaha Arnaud ity ny avy amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena izay nosoloan-dRamatoa Rosà Rakotozafy Tale jeneralin’ny fanatanjahantena tena. Tapaka ary samy nankatoavin'ireo klioba 2 tonta fa miverina mpilalao ao amin’ny CNaPS Sport i Arnaud amin'ity taom-pilalaovana ity. Raha misy ny fifindrana klioba ataony dia tsy maintsy ireo klioba 3 (FC AZ, Ajesaia, Cnaps) no miaraka manapaka fa tsy klioba tokana. Atao eo anivon'ny tompon'andraikitry 'ny Federasionina Malagasy (FMF) ny fifanarahana rehefa ho tonga ny fifindrana klioba. Nifarana ny 31 janoary teo moa ny tsenan’ny fifindrana mpilalao na ny “Mercato” any Eoropa, ka tsy maintsy miandry fahavitan’ny taom-pilalaovana indray. Azo natao ihany izany ny nifampiresaka sy nifandamina. Zava-dehibe ny fivahan’ny olana saingy toa efa tara loatra ihany na izany aza satria raha mba tena nitsinjo hatrany am-boalohany an’i Arnaud ireo tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny tsy ho tahaka izao no miseho fa ny tsaratsara kokoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT