Nicolas Fontaine

Klioba belza ihany no nandrian’ny fony


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Taorian’ny tsy fananana klioba hatramin’ny 30 janoary 2025 teo ho an’ilay irakiraka malagasy

nilalao tao amin’ny klioba belza, La Louvière, Nicolas Paul Julien Fontaine na Nicolas Fontaine, dia fantatra ankehitriny fa hijanona ao Belzika ihany ity lohalaharana malagasy ity. Ny KSC Lokoren, divizionina faharoa ao an-toerana, no nanasoniavany fifanarahana mandritry ny herintaona. Klioba divizionina voalohany maromaro tao Pologne sy Maraoka moa no voalaza fa liana taminy teo saingy ity klioba belza ity izany no nandrian’ny fony. Mirefy 1,75 metatra moa ny tovolahy ary azo lazaina ho havanana amina toerana samihafa ao aloha ao. Hatreto dia ny toeran’ny lohalaharana sy irakiraka havian’ny kianja no tena niantsorohany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT