Sport

Nicolas Dupuis Tsy nazava ny paikadiny


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nilaza ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis,

 

 

 

taorian’ny faharesen’ny Barea nanoloana ny Antilope etiopianina tamin’ny isa mavesatra 4 noho 0 ny 24 martsa teo tany Bahir Dar fa hiezaka ny handresy an’ny ekipam-pirenena nigeranina. Hisy fikitihana eo amin’ny lafiny fampijoroana ireo mpilalao, hoy ny tenany, mba hahatongavana amin’izany fandresena izany. Isan’ireo mpilalao niharana tsikera mivaivay tamin’ny lalao natrehin’ny Barea tamin’ny herinandro ireo lohalaharana izay somary efa zokinjokiny toa an’I Faneva Ima izay tsikaritra ho somary sahirana eo amin’ny fandraisam-baolina lasa any aloha. Nitovitovy tamin’izay ihany koa ny olan’I Voavy Paulin. Carolus Andrea moa iny voatsikera mafy ho tia tena iny. Mbola nampidirina tao anatin’ireo 11 tompon-toerana ihany izy 3 mirahalahy ireo omaly ary saika mbola tsikaritra tamin’ny ankapobeny hatrany ireo tsy fahatomombanana ireo. Maro ireo niandry fa mba tsy ho Melvin Adrien intsony no hiandry ny tsatoby tamin’iny omaly iny saingy tsy izay moa no nitranga ary soa ihany fa mbola nitahy azy ny “zanaharim-baolina”. Ny tena nahagaga sy tsy nazava tao anatin’ilay paikady dia ny nanaovan’ity mpanazatra ity ny firafitry ny mpilalao hanaraka ny rindra 3 5 2. Rindra izay mbola tsy fahita tamina mpanazatra hafa ankoatr’azy, indrindra, raha noheritreretina fa rindra tokony hanampy tosika ny fanafihana no niseho. Isan’ny nandrasana, ohatra, ny rindra 4 4 2 na 4 3 3. Ilay 3 5 2 dia tsikaritra ho saika mamerim-baolina any amin’ny vodilaharana hatrany ary tsy nahafahana nandrindra ny fanafihana ka toy ny tsy nahagaga raha toa ireny no vokany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT