Sport

Nicolas Dupuis sy ny Barea Ho tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana…


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Adihevitra hatramin’izao ny raharaha Nicolas Dupuis teo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara,

 

 

 ka tsy nahatafakarana any amin’ny dingana famaranan’ny CAN 2022 any Kameronina. Naresaka tao anatin’ny 72ora ny hoe : « Tsy hanaiky ny hijanonan'i Nicolas Dupuis ho Mpanazatra intsony ny mpitantana Federasion’ny Baolina kitra na ny FMF, fa tsy maintsy hiroso amin'ny fanesorana sy fanoloana an'i Nicolas Dupuis sy ny Staff Barea rehetra », izay tsy mbola misy aloha ny fanambarana ofisialy momba io, saingy ho avy tsy ho ela, araka ny loharanom-baovao avy etsy amin’ny FMF Isoraka. Voalaza fa noho ny tsy nahatafakarana CAN 2022, ny fampidirana Staff izay tsy nankatoavin'ny FMF, ary ny fidirana amin'ny fanafarana « équipement » tsy nahazo alalana tamin'ny FMF no antony hanesorana azy. Mbola misy 2 taona sy tapany ny soniam-pifanarahana teo amin'ny FMF sy Dupuis hatramin’ny 2023, ka tsy maintsy hisy ny fifampiresahana hisian’ny fisarahana tsy misy maratra, raha ny loharanom-baovao. Hanafatra Mpanazatra vaovao ny FMF mialohan’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2022 » ny FMF, ary hiova daholo ny Staff Barea rehetra, hoy ny vaovao mbola tsy ofisialy. Ilay Frantsay Lionel Soccoia nitantana ny Coton Sport Camerounais teo aloha, ary mitondra ny Kano Sport Pillar FC D1 any Nigéria sy ilay Mpilalaon’ny PSG fahiny Eric Rabesandratana no isan’ny anarana mandehandeha mety hasolo an’i Dupuis. Isan’ny nahazoany kiana maro ny fisahanana andraikitra maro ankoatra ny maha mpanazatra, dia ny nametrahana azy ho Tale Teknika Nasionaly (DTN), Ambasadaoron’ny CNaPS,… ahiana niteraka fihenan-danja tamin’ny fiantsorohana ny asa maha mpanazatra. Afaka roa volana katroka eo isika dia hiatrika ny fifanintsanan’ny “Mondial 2022” ny Barea. Tena azo antoka fa hahazoana vokatra ve ny fanoloana mpanazatra ao anatin’izany? Manahirana ity raharaha ity, ka andrasana ny tohiny.

 

« Am-pahitsiana, mihevitra aho fa tena niasa tsara izy, mihevitra aho fa tena mahay izy satria afaka nahatakatra ny mikasika ny Malagasy, nahomby. Fa nahoana kosa no nisy ireny fahombiazana farany teo ireny ? Amiko, lasa Malagasy Atoa Dupuis tamin’ny fitondran-tenany, nahazo volon-tany vetivety, hany ka nanaiky ny hilalao ao anatin’ny lalao “werawera” », hoy kosa ny mpanao politika iray.

 Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT