Sport

Nicolas Dupuis sy Faneva Ima Nitondra fanampiana ho an’ny traboina


  • Talata 28 Janoary 2020

Tonga nanatitra fanampiana teny amin’ny BNGRC ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra Nicolas Dupuis sy ny vadiny omaly.

 

 

 

Tolo-tanana ho an’ireo traboina noho ny loza nihatra tamin’ny firenena io, ary tsy nohadinoiny ny nirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Vary 20 gony no anjara tolo-tanana nentiny tamin’izany. Na tsy eto an-tanindrazana aza i Faneva Ima, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara teo aloha, dia nanolotra vary 30 gony ihany koa ka ny fianakaviany eto an-toerana no nisolotena azy 4 mianaka nanatitra io fanampiana io teny amin’ny BNGRC.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT